♦ Mbola endriky ny fiodinana faharoa ho an'ny filoha Andry Rajoelina ny fifidianana solombavambahoaka amin'ny 29 mey izao hoy ny solombavambahoaka voafidy tao Belo amoron'i Tsiribihina... ♦ Nampiato ny asany ka mitaky ireo namany miisa 5 izay notanan'ny pôlisy ao Toamasina ny mpamilin'ny fiarabe mpitatitra solika... ♦ Omen-danja ny asan'ireo mpisehatra amin'ny asa sôsialy ary ampivelarana izany ny sehatr'asa eto Madagasikara... ♦ Nahazo fahafahana ilay mpanao gazety Congolais voarohirohy ho namoaka vaovao tsy marina rehefa nandoa lamandy hatrany amin'ny 400 Euros...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...