♦ Hiresaka momba ny raharaham-pirenena ankehitriny miaraka amin'ny hery pôlitika sy fikambanana samihafa ny vovonana misy an-dRamatoa Razanamahasoa Christine amin'ny sabotsy izao. Tsy tafiditra ao anaty lahadinika anefa ny resa-pifidianana... ♦ Ho hentitra ny fifantenana ireo olona avy amin'ny antoko pôlititka sy vondronan'antoko ary fikambanana maniry ny ho kandidà an'ny vovonana Isika Rehetra Miaraka amin'i Andry Rajoelina... ♦ Nanohana sy niara-miombon'antoka tamin'ny fananganana ny ivon-toerana vonjy voina eny Ankatso ny PNUD... ♦ Nihotsaka ny toerana iray fitrandrahana harin-tany any atsimon'i Pakistan. Efa miatrana manao ny asany ny mpamonjy voina ka olona roa no hita faty hatramin'izao...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...