♦ Hipaka anio ao amin'ny morontsirak'i Sava, amin'ny tanjaka Cyclone Tropical, ilay rivodoza Gamane niforona tao amin'ny Ranomasimbe Indiana... ♦ Manentana ny tsirairay handray andraikitra amin'ny fiainam-pirenena amin'ny maha olom-pirenena ny FFKM, amin'ny fifidianana ho avy. Isan'izany ny fijerena sy ny fanamarinana ny anarana ao anatin'ny lisitry ny mpifidy... ♦ Tsy mandray anjara araka ny tokony ho izy amin'ny fitomboan'ny arin-karena faobe sy ny fampihenana ny tahan'ny fahantrana, ny firafitry ny tanan-dehibe eto Madagasikara, araka ny fanadihadiana nataon'ny Banky Iraisam-pirenena...

[audio src="/images/sounds/jma-20240327.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Alatsinainy 5 ôktôbra 2026

• Notanterahina omaly teo amin'ny kianja Lycée Technique Marie Auxiliatrice Ivato, ny famaranana ny fankalazana ny faha-40 taona nahatongavan'ny Masera Filles de Marie Auxiliatrice teto Madagasikara... • Fankalazana maro sosona no notanterahina tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana omaly... • Tanim-boaloboka tsy maintsy kolokoloina amim-pahamarinana ny Eglizy, hoy ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...