♦ Nosokafana ho an'ny mpitsangantsangana avokoa ireo zaridaina tao Antananarivo Renivohitra omaly, ny roa tamin'ireo no nadoavam-bola... ♦ Tsy hisy fiforonana andro ratsy mety hampidi-doza hahakasika an'i Madagasikara mandritra ity herinandro ity, raha ny vinavinan'ny Météo. Miisa telo ireo olona tsy hita popoka ary 18 no maty, vokatry ny oram-be sy ny rivodoza, hoy ny BNGRC... ♦ Hifarana amin'ity herinandro ity ny fahafahan'ireo maniry ho kandidà, ho Solombavam-bahoaka, manatitra ny antontantaratasy eny amin'ny OVEC...

[audio src="/images/sounds/jma-20240402.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...