♦ Nangataka ny hanoloana an-dRamatoa Isabelle Delattre, Masoivohon'ny Vondrona Eorôpeana miasa eto Madagasikara, ny fanjakana Malagasy, araka ny navoakan'ny gazety iray atsy Afrika... ♦ Miahiahy amin'ny ain-dRamatoa Christine Razanamahasoa ny fikambanana BAM. Tsy fantatra mazava ny toerana misy ity Filohan'ny Antenimieram-pirenena teo aloha ity, tao aorian'ny didin'ny HCC, hoy izy ireo androany... ♦ Niakatra ho 20% ny TVA alain'ny fanjakana amin'ireo orinasa amin'ny fifandraisan-davitra. Io no mahatonga ny saran'ny Internet eto amintsika ho lafobe, hoy ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa...

[audio src="/images/sounds/jsr-20240404.mp3" background="#0099ffff"]

[Vaovao manokana] Alarobia 19 aogositra 2026

Notendren'ny Papa Leon xIV ho Eveka mpanampy ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina i Mompera MARIUSZ KASPERSKI, pretra avy amin'ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée (OMI), Curé ao amin'ny Paroasy Md Eugène de Mazanod, ao Toamasina.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...