♦ Mampitandrina izay ho kandidà hirotsaka amin'ny anaran'ny antokon'ny fitondrana any amin'ny Faritra Amoron'i Mania, ny fikambanana FATARA, fa tsy hahazo ny vaton'izy ireo intsony, teo anatrehan'ny nanasorana an-dRamatoa Christine Razanamahasoa tsy ho Solombavam-bahoaka... ♦ Misy amin'ireo kôperativa sasany mampitohy ny fitaterana amin'ny Lalam-pirenena faha-6, no nanapa-kevitra tsy hiasa hatramin'ny fotoana nahatapaka ny làlana... ♦ Nanainga androany hiazo ny faritra avaratry ny nosy ireo fanampiana ho an'ireo tra-boina sy nitondra takaitra tamin'ny fandalovan'ny rivodoza Gamane...

[audio src="/images/sounds/jmi-20240405.mp3" background="#0099ffff"]

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...