♦ Hifarana afaka 3 andro ny fe-potoana fanaterana antotantaratasy ho an'ireo hirotsaka ho fidiana ho solombavambahoaka amin'ny 29 mey 2024. Mbola tsy misy afa-tsy kandidà 1 na 2 no efa nanatitra izany eny anivon'ny OVEC... ♦ Tsy mandeha ny fiainan'ny orinasa JIRAMA, hoy ireo mpiasa ka ilaina ny fanendrena maika tale jeneraly vaovao. Nanao fanambaràna mitaky izany teny Ambohijatovo ambony ireo mpiasa sy ireo sendikàn'ny mpiasa am-polony, omaly... ♦ Efa voavaha ny olana ara-teknika an'ny famatsian-dranon'ny JIRAMA eny Mandroseza. Hiverina anio farafahatarany ny famatsiana ho an'ireo toerana tsy nisitraka izany teto Antananarivo hoy ny Ministry ny rano...

[audio src="/images/sounds/jma-20240406.mp3" background="#0099ffff"]

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...