♦ Miandry ny fanombohan'ny fampielezan-kevitra ny solombavambahoaka Fetra Ralambozafimbololona vao ho fantatra ny didim-pitsaràna momba ny raharaha anenjehana azy hoy ny mpisolovava miaro azy... ♦ Mamporisika ny vehivavy handray anjara amin'ny fifidianana, indrindra fa ny fifidianana ben'ny tanàna, ny filoham-boninahitry ny CNFM sy ny VMLF Ramatoa Ranampy Zenaïde... ♦ Miatrika ny ady amin'ny valala ny ao amin'ny distrikan'Ankazobe, Faritra Analamanga. Manatanteraka ny asa ny ao amin'ny Ivon-toerana Famongorana ny Valala eto Madagasikara na ny IFVM... ♦ Maty vokatry ny zera baomban'ny israeliana ny zanakalahin'i lehiben'ny Hamas palestinian Ismaël Haniyeh miisa telo miampy ny zafikeliny miisa efatra...

[audio src="/images/sounds/jmi-20240411.mp3" background="#0099ffff"]

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...