♦ Lehiben'ny Distrika sy Préféts maherin'ny 30 no nosoloina omaly, nandritra ny Filankevitry ny Minisitra. Heverin'ny maro fa misy antony noho ny fiatrehana ny fifidianana amin'ny 29 mey 2024 izany... ♦ Hivoaka tsy ho ela ny didim-panjakana fampiharana ny lalàna vaovao mifehy ny harena ankibon'ny tany. Fanovana no nentina, hisian'ny aingavao entiny amin'ny toe-karem-pirenena... ♦ Tanora hatramin'ny 7 hetsy isa isan-taona no tokony hiditra amin'ny sehatry ny asa. Maro amin'izy ireo anefa no tsy manana ny fahaiza-manao takian'ny orinasa...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...