♦ Nankalaza ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Ankizin'ny Làlana isika androany 12 aprily. Fizaham-pahasalamana maimaim-poana sy fanomezana kôpia nahaterahana, no nanamarihana izany teny amin'ny Tranom-pokonolona Isotry... ♦ Lasa fanangonan-karena sy fitadiavam-bola ny fanaovana pôlitika eto Madagasikara, fa tsy misy mihitsy izay mahasoa ny vahoaka, hoy ny HPM sy ny ACS... ♦ Mangataka amin'ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana hampiato ny fambolen-kazo any anatin'ny tany iveloman'ireo tantsaha manamorona ny tandavan'ala Angavo, ny pretra sy ny Justice et Paix, ao amin'ny Distrika Misiônera Amboasary Gara, Diôsezin'i Moramanga...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...