♦ Nankalaza ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Ankizin'ny Làlana isika androany 12 aprily. Fizaham-pahasalamana maimaim-poana sy fanomezana kôpia nahaterahana, no nanamarihana izany teny amin'ny Tranom-pokonolona Isotry... ♦ Lasa fanangonan-karena sy fitadiavam-bola ny fanaovana pôlitika eto Madagasikara, fa tsy misy mihitsy izay mahasoa ny vahoaka, hoy ny HPM sy ny ACS... ♦ Mangataka amin'ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana hampiato ny fambolen-kazo any anatin'ny tany iveloman'ireo tantsaha manamorona ny tandavan'ala Angavo, ny pretra sy ny Justice et Paix, ao amin'ny Distrika Misiônera Amboasary Gara, Diôsezin'i Moramanga...

[audio src="/images/sounds/jsr-20240412.mp3" background="#0099ffff"]

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...