♦Tsy voahilika ireo solombavambahoaka IRD teo aloha izay tsy natao kandidà intsony, fa tsy maintsy nisy ny fandaminana mba hisian'ny fahamarinan-toeran'ny fitondram-panjakàna hoy ny vovonana IFI... ♦ Lasa fandangonan-karena sy fitadiavam-bola ny fanaovana pôlitika eto Madagasikara, fa tsy misy mihitsy ny fikatsahana izay mahasoa ny vahoaka hoy ny HPM sy ny ACS... ♦ Mangataka amin'ny ministeran'ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy hampihato ny fambolen-kazo any anatin'ny tany fiveloman'ireo tantsaha manamorona ny tandavan'ala Angavo ny Pretra sy ny Justice et Paix any amin'ny Diôsezin'i Moramanga...

[audio src="/images/sounds/jma-20240413.mp3" background="#0099ffff"]

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...