♦ Tanterahana eto Madagasikara mandritra ny telo andro ny atrikasam-paritra momba ny fepetra ara-pahasalamana sy ny fomba ikarakarana ny zava-maniry iantohana ny fahasalaman'ny mpanjifa ho an'ireo firenena ao amin'ny Vondron'ny Ranomasimbe Indiana na ny COI... ♦ Hisitraka tombontsoa maro manoloana ny fahavitan'ny tohadrano ny mponina ao Ambohimasina Distrikan'Arivonimamo, Faritra Itasy... ♦ Tsy mankasitraka ny fanapahan-kevitry ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambony, momba ny toerana hiatrehan'ireo kandidà tsy miankina, amin'ny fanadinana Bakalôrea amin'ity taona ity, ny Vovonan'ny Sekoly tsy miankina...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...