♦ Niakatra ho 86% ny tahan'ny fanaovam-bakisiny eto Madagasikara ankehitirny, raha toa efa tafidina ho 35% izany telo taona lasa. Mitentina 100 tapitrisa Dolara ny tetibola hiatrehana ny fandaharan'asa momba ny vakisiny eto Madagasikara amin'ity taona 2024 ity... ♦ Nametraka fotodrafitr'asa fivarotana rano fisotro madio ao Analakely, ny ao amin'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra... ♦ Natomboka tamin'ny fomba ôfisialy omaly, ny fandrafetana ny drafitra hitantanana ny sehatry ny fiompiana eto Madagasikara, na ny PDSEM...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...