♦ Zaza sy ankizy maherin'ny 1.000.000 isa no kendrena ho vita vaksiny fanefitr'ireo aretina samihafa hatramin'ny faran'ity taona 2024 ity. Natomboka omaly ny fanokafana ny herinandro Afrikana ho an'ny fanoavam-baksiny... ♦ Nametraka fepetra iadiana misimisy kokoa amin'ny kolikoly ny tahirim-bola iraisam-pirenena na ny FMI, ahafahan'i Madagasikara mahazo ny famatsiam-bola FEC... ♦ Misy amin'ireo kandidà solombavambahoaka no efa mampanantena poakaty amin'ny vahoaka, milaza fa hanao foto-drafitr'asa goavana rehefa lany, nefa tsy andraikitr'izy ireo izany... ♦ olona 51 no namoy ny ainy tany Gaza tao anatin'ny 24 ora farany, vokatry ny fanafihana nataon'ny tafika Israeliana...

[audio src="/images/sounds/jma-20240427.mp3" background="#0099ffff"]

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...