♦ Misokatra manomboka anio amin'ny distrika 120 manerana ny Nosy ary aharitra 20 andro ny fampielezan-kevitra ho an'ireo kandidà mirotsaka ho fidiana ho amin'ny fifidianana solombavambahoaka tanterahina ny 29 mey izao... ♦ Miato hatramin'ny faran'ny volana mey ny fivoriana eny amin'ny antenimieram-pirenena ho fanomanana sy ho fiatrehan'ireo solombavambahoaka amperinasa mbola mirotsaka ho fidiana amin'ny fifidianana ny 29 mey, hiverina hivory kosa ny birao maharitra ny volana jona... ♦ Olona am-polony no nahiditra am-ponja vonjy maika any Maroantsetra noho ny tsy fandoavana tamberim-bidy nataona mpandraharaha iray misehatra amin'ny La Vanille...

[audio src="/images/sounds/jma-20240508.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...