♦ Tsy tokony hisy fiatraikany amin'ny safidim-bahoaka ny fidinana ifotony sy ny fitokanana zava-bita ataon'ny Filoham-pirenena hoy Andriamatoa Régis Ramamonjisoa mpamakafaka pôlitika. Aleo hoy izy hifidy ankalalahana ny vahoaka malagasy amin'ny 29 mey ho avy izao... ♦ Nikorisa voalohany tao an-drenivohitra nanomboka omaly ny fitaterana amin'ny alalan'ny tariby miantona na ny "télépherique". Azo antoka ny fitandroana ny ain'ny mpandeha hoy ny sekreteram-panjakàna Gérard Andriamanohisoa... ♦ Manohy ny fanofanana an'ireo olom-pirenena hifehy ny fananan-tany ny Sehatra Iombonana ho an'ny Fananan-tany (SIF). Anjaran'ny tanora sy ny vehivavy avy amin'ny fikambanana samihafa no misitraka izany...

[audio src="/images/sounds/jma-20240523.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Alatsinainy 24 aogositra 2026

• Pretra 11 mirahalahy no nohamasinina tamin'ny sabotsy 22 aogositra 2026, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo... • Nodimandry teo amin'ny faha-81 taonany ary faha-53 taona naha mpisoron'ny Avo indrindra azy, i Mompera Rakotomahefa Pierre Marcial... • Miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny Papa Léon XIV, mba hampitombo ireo fepetra ahafahana misakana ny fihanaky tsimokaretina mitondra ny Ebola...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...