♦ Mafana ny toe-draharaha tany Tsihombe vokatry ny tsy fitovian-kevitra amin'ny voka-pifidianana ka niafara tamin'ny fandrehetana trano... ♦ Miisa roa ireo faritra mando eto Antananarivo. Hampahafantarina amin'ny alalan'ny horonan-tsary eny amin'ny zaridainan'Antaninarenina ao anatin'ilay hetsika Haody ry Gasikarako izany anio maraina... ♦ Hohamafisina ny fanatsarana ny serasera sy ny fampitam-baovao manoloana ny fankalazana ny fetim-pirenena amin'ity taona ity, araka ny nivoitra tamin'ny atrikasa notarihan'ireo mpikarakara ny hetsika... ♦ Akon'ny korontana tany Nouvelle-Calédonie, vola hatrany amin'ny iray lavitrisa Euros no ilaina ho fanarenana ireo orinasa maherin'ny 500 simba sy rava...

[audio src="/images/sounds/jma-20240601.mp3" background="#0099ffff"]

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...