♦ May ny ampahany amin'ny voka-pifidianana any amin'ny distrikan'i Tsiroanomandidy, taorian'ny famaizan'ny biraon'ny SRMV ny sabotsy maraina teo ; nitondra fanazavàn ny eo anivon'ny CENI... ♦ Miseholany tsikelikely ny fanoherana ny voka-pifidianana.  Nidina nanao fampitahàna teny amin'ny CENI ny 4 amin'ireo kandidà ao amin'ny boriborin-tany fahatelo. PV miisa telo no tsy hita eny Alarobia, hoy izy ireo... ♦ Azo fantarina mialoha manomboka izao ireo haban-tseranana sy ireo vola rehetra ilaina amin'ny fanafarana entana. Nampahafantarina ny herinandro teo ny fitaovana momba izany, antsoina hoe "plateforme e-tarif"... ♦ Mbola hitazona ny fampihenàna ny famokarana solika ny OPEP+...

[audio src="/images/sounds/jma-20240603.mp3" background="#0099ffff"]

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...