♦ Nafahan'ny Fitsaràna noho ny fisalasalàna ireo olona roa, notoriana noho ny raharaham-pifidianana tany Faratsiho. Nivoaka omaly ny fanapahan-kevitry ny Fitsaràna any Antsirabe momba izany... ♦ Nahazo ny fanohanan'ny CNUCED ny fikasàna hananganana ny Vondron'ny tany mpamokatra lavanila. Mitohy ny adisisika ataon'i Madagasikara hitsanganan'io Vondrona io, hiarovana ny vidin'ny lavanila... ♦ Hanamarika ny faha-40 taonany ny Faculté DEGS eo anivon'ny Oniversiten'i Fianarantsoa. Hisy ny hetsika hanamarihana izany manomboka ny 21 jona izao any an-toerana... ♦ Mandroso ny dingana hampidirana an'i Moldavie sy i Ukraine ao anatin'ny Vondrona erôpeana, nankatoavin'ireo firenena 27...

[audio src="/images/sounds/jmi-20240615.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...