♦ Natsikafon'ny Cnoe androany, ireo tsy fahatomombanana hitany nandritra ny fifidianana Solombavam-bahoaka farany teo... ♦ Nampiditra vola 500 tapitrisa Euros tao amin'ny kitapom-bolam-panjakana ny fizahan-tany tamin'ny taon-dasa. Misy indray ny foara iraisam-pirenena momba ny fizahan-tany, ety Ivato, hampiroboroboana io sehatra io... ♦ Tafakatra 600 eo ny isan'ireo zaza latsaky ny 18 taona voatazona am-ponja. Misy ny atrikasa hitadiavana vahaolana sy hampitoviana ny fomba fijerin'ny mpitsara zaza tsy ampy taona, amin'ny fampiharana ny lalàna amin'izy ireo...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...