♦ Nibaribary ny fampandresena kandidàn'ny fitondrana sy ny fitsabahan'ny Minisiteran'ny Atitany, nandritra ny fifidianana Solombavam-bahoaka teo, raha ny tatitry ny KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenana... ♦ Hisitraka telo andro fialan-tsasatra ireo raim-pianakaviana ao aorian'ny fahaterahan'ny vadiny, raha araka ny tinapaky ny Solombavam-bahoka teny Tsimbazaza omaly... ♦ Hita faty teto Antananarivo, rehefa tsy nandrenesam-baovao tao anatin'ny tapabolana, ny Mpitsara ambony mpampanoa eo anivon'ny Fitsarana Ambony ao Mahajanga...

[audio src="/images/sounds/jma-20240621.mp3" background="#0099ffff"]

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...