♦ Velon-taraina amin'ireo antsojay ambarany ho mahazo azy ny Antesaka ka nampita hafatra ho an'ny fikambanana BAM sy ny Fikambanana Sud-Est... ♦ Andrasana amin'ity herinandro ity ny hirotsahan'ny ampaham-bola voalohany amin'ilay fandaharana FEC sy FRD mitentina 663 tapitrisa Dôlara. Miisa telo ireo fepetra nahafahana nisitraka io famatsiam-bola io... ♦ Niakatra 6,79% ny taham-pahafahana tamin'ny fanadinam-panjakàna CEPE ho an'ny fari-piadidim-pampianarana Antananarivo renivohitra... ♦ Nodimandry tamin'ny alakamisy teo Mopera Blanco Rodriguez, izay mpampikonfesy an'ny Papa François...

[audio src="/images/sounds/jmi-20240624.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Alatsinainy 24 aogositra 2026

• Pretra 11 mirahalahy no nohamasinina tamin'ny sabotsy 22 aogositra 2026, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo... • Nodimandry teo amin'ny faha-81 taonany ary faha-53 taona naha mpisoron'ny Avo indrindra azy, i Mompera Rakotomahefa Pierre Marcial... • Miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny Papa Léon XIV, mba hampitombo ireo fepetra ahafahana misakana ny fihanaky tsimokaretina mitondra ny Ebola...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...