♦ Afaka hanao voyages telo isan'andro ny mpitatitra rehefa vita ilay lalambe migodàna mampitohy an'Antananarivo - Toamasina, mirefy 260 km io lalana io ary atao anatin'ny adinny roa ora sy sasany amin'ny hafainganam-pandeha 105km isan'ora...  ♦ Miverina indray ny fahatapahan-jiro mifandimby ho an'ny tambazotra iraisan'Antananarivo, haharitra ora iray sy sasany izay fahatapahana izay noho ny olan'ny famatsiana menaka mavesatra... ♦ Hifarana anio 3 jolay ny fanadinana CFA na Certificat de Fin d'Apprentissage hitohy hatramin'ny rahampitso kosa izany ho an'ny fanadinana BEP sy ny BEPC... ♦ Tafakatra 39 ireo olona namoy ny ainy tamin'ilay hetsi-panoherana ny fitondrana any Kenya...

[audio src="/images/sounds/jma-20240703.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Alatsinainy 24 aogositra 2026

• Pretra 11 mirahalahy no nohamasinina tamin'ny sabotsy 22 aogositra 2026, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo... • Nodimandry teo amin'ny faha-81 taonany ary faha-53 taona naha mpisoron'ny Avo indrindra azy, i Mompera Rakotomahefa Pierre Marcial... • Miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny Papa Léon XIV, mba hampitombo ireo fepetra ahafahana misakana ny fihanaky tsimokaretina mitondra ny Ebola...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...