♦ Nanambara ny sekretera nasiônalin'ny antoko AREMA fa nisy ny fividianana ny safidim-bahoaka nandritra ny fifidianana solombavambahoaka farany teo. Vonona handray anjara amin'ny fifidianana eny anivon'ny kaominina nefa ny antoko hoy Ramatoa Annick Ratsiraka... ♦ Hisy fiatraikany ny amin'ny fampiasam-bola sy ny fampandehanan-draharaha any amin'ny departemanta samihafa ny fihenan'ny teti-bolam-panjakàna 2024 nasiam-panavaozana hoy Andriamatoa Serge Zafimahova...  ♦ Miabo ny vokatra azo tamin'ny fandaharan'asa FORMAPROD ho an'ny fampandrosoana sy ny fanofanana ho an'ny eny ambanivohitra. Nofaranana tamin'ny fomba ôfisialy omaly ny 10 taona niasany teto Madagasikara...

[audio src="/images/sounds/jma-20240704.mp3" background="#0099ffff"]

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...