♦ Niroso tamin'ny fametrahana tondrozotra hiatrehana ny fandotoana ao anatin'ny 10 taona ho avy, ny Minisiteran'ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana lovainjafy... ♦ Manantena ny mponina any avaratra fa tsy ho vonjy tavan'andro ny fametrahana ny fivilian-dalana eo amin'ny Reniranon'Ifasy sy Mahavavy. Manahy izy ireo fa ho tapaka indray ny lalana amin'ny fotoam-pahavaratra... ♦ Mikarakara fampianarana momba ny famokarana sary hosodoko sy ny sary sokitra, ny Tranom-boky Monisipaly ao Antananarivo Renivohitra, amin'izao fotoam-pialan-tsasatry ny mpianatra izao...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...