♦ Tanterahina eto amin'ny tanin'ny repoblikan'i Madagasikara manomboka anio ny fanadinam-panjakàna bakalôrea ankapobeny ary mifanindran-dalana amin'izany ihany koa ny andiany voalohany amin'ny bakalôrea teknika... ♦ Mbola lavitr'ezaka ny fampiharana sy ny fampanjakana ny demôkarasia ho antsika eto Madagasikara, niadian-kevitra teny amin'ny Arrupe Faravohitra io loha-hevitra io ny farany herin'nandro teo... ♦ Hitohy rahampitso 23 jolay ny fikirakirana ireo antotan-taratasy fangatahana hisitraka karatra matianina ho an'ny mpanao gazety andiany fahaefatra, niisa 243 ireo fangatahana voarain'ny kômity manoka... ♦ Nametra-pialana tsy ho kandidan'ny Demokraty amin'ny fifidianana filoham-pirenena ny filoha Joe Biden...

[audio src="/images/sounds/jlma-20240722.mp3" background="#0099ffff"]

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...