♦ Mitaky ny hanamafisana ny sazy ho an'ireo teratany vahiny mpitrandraka an-tsokosoko ny haren-dranomasina eto Madagasikara ny firaisamonim-pirenena malagasy. Naneho ny heviny momba izany izy ireo omaly... ♦ Misedra olana indray ny fitaterana solika mavesatra avy any Toamasina ampiasain'ny Jirama. Anton'ny fahatapahan-jiro mifandimby ho an'ny tambazotra iraisan'Antananarivo amin'izao fotoana izao... ♦ Laharam-pamehana ny fampiharana ny fehin-kevitra tamin'ny drafi-pirenena momba ny fitsinjaram-pahefana miabo na ny PNDE hoy ny COJM. Ny COJM izay vovonana iombonan'ny fikambanan'ny malagasy tanora...

[audio src="/images/sounds/jma-20240725.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...