♦ Hifarana anio ny fe-potoana 48 ora nomen'ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa hamahana ny olan'ny mpianatra eny amin'ny polytechnique Vontovorona... ♦ Hiroso amin'ny fanamboarana ireo làlana tena ratsy ao Antsapanana miazo an'i Moramanga sy Brickaville miazo an'i Toamasina ny ministeran'ny asa vaventy... ♦ I Madagasikara no handray ny fivorian'ireo firenena mpikambana anatin'ilay fifanarahana Naérobie aty andrefan'ny fari-dranomasimbe Indiana na ny COP 11, ny 20 hatramin'ny 22 aogositra ho avy izao etsy amin'ny CCI Ivato... Nofidian-dRamatoa Kamala Harris ho mpiara-mihazakazaka sy mpiray lisitra aminy amin'ny fiatrehana ny fifidianana filoha any Etazonia i Tim Walz...

[audio src="/images/sounds/jmi-20240807.mp3" background="#0099ffff"]

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...