♦ Aleo halalaka amin'ny fotoana hananganany ny Governemanta, ny Filoham-pirenena sy ny Praiminisitra, hoy ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena Tokely Justin... ♦ Miara-miasa amin'ny fiarovana ny tontolo iainana, ny Diôsezin'Antsiranana sy ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana. Nanatrika ny fanambarana ôfisialy momba izany ny Minisitra Max Fontaine Andonirina sy ny Arsevekan'Antsiranana Mgr Benjamin Marc Ramaroson... ♦ Firenena isan'ny manana tanjaka ara-toekarena eran'izao tontolo izao i Chine. Manohana ny asa fampandrosoana an'i Madagasikara izy ireo...

[audio src="/images/sounds/jsr-20240813.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...