♦ Mbola tsy isan'ireo Solombavam-bahoaka mandray anjara amin'ny asany eny amin'ny Antenimieram-pirenena, ny Solombavam-bahoakan'i Vangaindrano noho ny famonjana azy. Asan'ny Fitsarana izany, raha ny nambaran'ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena... ♦ Tsy mitovy hevitra amin'ny famaritana ny atao hoe mpampaneno lakolosy ny Transparency International Initiative Madagascar sy ny Filohan'ny Antenimieran-doholona... ♦ Misedra olana vokatry ny fihenan'ny rano any Andekaleka ny famatsiana herinaratra amin'ny Tambazotra Iraisan'Antananarivo. Manjaka ny fahatapahan-jiro mifandimby...

[audio src="/images/sounds/jma-20240814.mp3" background=

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...