♦ Tsy misy ny sakana tokony tsy ahatratraratsika ny fahavitan-tena ara-tsakafo hoy ny Ministry ny fambolena sy ny Fiompiana raha ny tohana ataon'ny tetik'asa sy ireo mpiara-miombon'antoka amin'i Madagasikara amin'izao fotoana izao. Nanazava ny sehatr'asan'ny ministera niadidiany moa ny Ministra Ratohiarijaonina Suzelin... ♦ Mampihantrano fivoriana iraisam-pirenena momba ny tontolo iainana i Madagasikara. Tanterahana etsy amin'ny Foibe Fandraisana Fivoriana Iraisam-pirenena, ny fivoriana an-tampon'ny fifanarahan'i Nairobi momba ny COP andiany faha-11...  ♦ Baolina kitra, nahavita nihazona ady sahala 01 noho 01 tamin'ny tompon'ny amboaran'i Angola tatsy Luanda renivohitra Angolais ny Elgeco Plus...

[audio src="/images/sounds/jmi-20240822.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...