♦ Notanterahina tao amin'ny kianjasoa Antsiranana ny lanonana fanokafana ny kongresy Eokaristika Nasiônaly andiany faha-III, eto Madagasikara... ♦ Nandray ny asany avy hatrany ireo ministra vao notendrena tamin'ny alalan'ny famindram-pitantanana omaly, samy nampanantena ny hiasa mafy araka ny fangatahan'ny filoham-pirenena izy ireo... ♦ Nahitam-bokany amin'ny famokarana herinaratra ny nandefasana orana artifisialy, andalam-pananganana tobim-pamokarana herinaratra azo avy amin'ny herin'ny masoandro ihany koa ny orinasa JIRAMA... ♦ Any Bangladesh : olona 4,5 tapitrisa voatery nafindra toerana, 13 hafa namoy ny ainy vokatry ny tondra-drano manerana ny firenena...

[audio src="/images/sounds/jma-20240824.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Alatsinainy 24 aogositra 2026

• Pretra 11 mirahalahy no nohamasinina tamin'ny sabotsy 22 aogositra 2026, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo... • Nodimandry teo amin'ny faha-81 taonany ary faha-53 taona naha mpisoron'ny Avo indrindra azy, i Mompera Rakotomahefa Pierre Marcial... • Miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny Papa Léon XIV, mba hampitombo ireo fepetra ahafahana misakana ny fihanaky tsimokaretina mitondra ny Ebola...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...