♦ Voatendry ho PDS vaovao hitantana vonjimaika ny tanànan'Antananarivo Ramatoa Harilala Ramanantsoa. Izy indray no hisolo an'Andriamatoa Richard Ramanambitana... ♦ Manomboka midina an-kianja ireo Ministra anatin'ny Governemanta vaovao, taorian'ny nanendrena azy ireo. Miandrandra asa mipaka amin'ny fiainany ny Malagasy maro... ♦ Manomboka miakatra tsikelikely ny vidin'ny Vary Gasy eny amin'ireo tsena eto Antananarivo amin'izao. Hanazava izay eto ny fikambanana mpiaro ny zon'ny mpanjifa PMH... ♦ Naato indray omaly ny famatsiana ny fanampiana ny maha-olona mankany amin'ny faritr'i Gaza izay tanterahin'ny Firenena Mikambana. Nanaitra ny sivily hiala ao Deir-al-abalah ny tafika israeliana...

[audio src="/images/sounds/jma-20240827.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...