♦ Ara-dalàna ny didim-panjakàna manaika ny mpifidy handrotsa-bato amin'ny 11 desambra izao noho ny fanapahana avy amin'ny filan-kevi-panjakàna tsy maintsy hanaovana ny fifidianana ben'ny tanàna amin'ity taona ity. Fanazavana nataon'ny mpahay lalàna, Fanahimana Tiaray... ♦ Asa miandry ny governemanta mijoro ankehitriny ny fanatsaràna ny sôsialim-bahoaka hoy ny lehiben'ny Faritra Bongolava teo aloha, Andry Vorisoa... ♦ Ministera miavaka ny ministeran'ny serasera sy ny kolontsaina hoy ny Ministra Mara Volamiranty Donna nandritra ny lanonana fandraisana azy tamin'ny fomba ôfisialy nataon'ny mpiasa teny Anosy... ♦ Palestiniana miisa 10 no maty tany avaratr'i Cisjordanie nandritra ny fanafihana alina...

[audio src="/images/sounds/jmi-20240828.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Alatsinainy 24 aogositra 2026

• Pretra 11 mirahalahy no nohamasinina tamin'ny sabotsy 22 aogositra 2026, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo... • Nodimandry teo amin'ny faha-81 taonany ary faha-53 taona naha mpisoron'ny Avo indrindra azy, i Mompera Rakotomahefa Pierre Marcial... • Miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny Papa Léon XIV, mba hampitombo ireo fepetra ahafahana misakana ny fihanaky tsimokaretina mitondra ny Ebola...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...