♦ Handrotsaka kandidà ben'ny tanàna ao Antanetibe Mahazaza ny FIVOY. Hitondra tohana ho an'ny tantsaha ao amin'ity kaominina ity izy raha toa ka lany Andriamatoa Andriatsoavina Onja Harilala... ♦ Apetraka any amin'ny Faritra Atsimo-Andrefana ny vala indostrialy natokana ho an'ny fambolena sy ny ivon-toerana natokana ho an'ny fandraharahana ara-pambolena. Tafiditra amin'ilay tetik'asa PTASO... ♦ Afindra monina eny Fieferamanga sy Ambohimiarina ireo fianakaviana sahirana mivangongo ao Antananarivo Renivohitra sy ireo tsy manan-kialofana ka matory amoron-dalana, raha ny nambaran'ny Ministry ny Mponina sy ny Firaisan-kina tamin'ny omaly...

[audio src="/images/sounds/jma-20240829.mp3" background="#0099ffff"]

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...