♦ Nidina ifotony nitafa tamin'ny mpivarotra sy ny tompon'andraikitry ny tsena eny Anosibe ny PDS vaovaon'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Ramanantsoa Harilala, namantatra ireo olana misy ity farany... ♦ Miatrika kongresy eto Antananarivo ny sendikan'ny PARAMED SIS FM. Misy hoy izy ireo ny mozana tsindrin'ila ataon'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka amin'ireo mpiasa manodina izany ministera izany... ♦ Mampiranty ny tetik'asa sy ny voka-pikarohan'ny mpianatra ao aminy eny amin'ny lapan'ny tanàna Analakely ny sekoly ambony polytechnique eny Vontovorona. Sekoly ambony efa namoaka injeniera maherin'ny 10.000 isa... ♦ Tondraka vokatry ny ora-mikija ny faritra maro any andrefan'i Inde...

[audio src="/images/sounds/jmi-20240829.mp3" background="#0099ffff"]

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...