♦ Raikitra ny fisamborana sy ny haza-lambo, ataon'ny mpitandro ny filaminana any amin'ny Distrika an'Anjozorobe, efa nisy tamin'ireo tompon'antoka tamin'ny fakana takalon'aina no voasambotra... ♦ Hirotsaka ho kandidà Ben'ny Tanàna ho an'i Toamasina ny solombavambahoaka Roland Ratsiraka. Tsy maintsy harenina ny korotana ao amin'ny renivohitr'i Betsimisaraka hoy izy... ♦ Hametraka fomba fijery vaovao ho entina mampandroso ny firenena sy ny tontolo ambanivohitra ny  Sendikà Injeniera misahana ny fambolena sy ny fiompiana...

[audio src="/images/sounds/jma-20240902.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...