♦ Mahatratra 25% ny taham-pialàna an-tsekoly ho an'ny toeram-pianarana sasany amin'izao fidiran'ny mpianatra izao. Maro ireo sekoly no efa nisantatra ny taom-pianarana vaovao manomboka amin'ity herinandro ity... ♦ Miverina ny fahatapahan-jiro eto Antananarivo amin'izao. Nambaran'ny orinasa Jirama fa mihena indray ny rano manodina ny milina mpamokatra herinaratra any Andekaleka... ♦ Nisy sambo tra-doza tany amin'ny fari-dranomasin'i Taolagnaro omaly vao maraim-be. Mpandeha iray tsy hita popoka, olona 29 hafa avotra soa amn-tsara... ♦ Goavam-be ny fidinana an-dalambse tany Israely omaly, manoloana ny ady amin'ny faritr'i Gaza, nitakiana ny hamotsorana ireo teratany israeliana ataon'ny Hamas takalon'aina...

[audio src="/images/sounds/jma-20240903.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...