♦ Mbola mitaky hatrany ny hisian'ny mangarahara amin'ny vola ampiasaina amin'ny fifidianana ny antoko Humaniste Ecologiste. Antoka iray hamantarana sy hifidianan'ny olom-pirenena ny foto-kevitra izany hoy Andriamatoa Toavina Ralambomahay... ♦ Miatrika ny JMJ Diôsezy, andiany faharoa, nanomboka androany hatramin'ny alahady ho avy izao ny ao amin'ny Diôsezin'i Farafangàna. Mandray izany ny ao Farafangàna renivohitry ny Diôsezy... ♦ Noafahan'ny fitsaraàna noho ny fisalasalàna ilay olona ambara fa jiolahy nitifitra ilay mpamily fiara karetsaka teny Ankadindratombo, kaominina Alasora ka nahafaty azy ny 26 jolay 2023. Nivoaka omaly teny Anosy ny didim-pitsarana momba iny raharaha iny...

[audio src="/images/sounds/jmi-20240904.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...