♦ Tsy tanteraka ny hetsika nokasain'ny mpanohana ny TIM sy ny vovonana Firaisankina natao teny amin'ny Magro Behoririka omaly. Fitrotroana am-bavaka ny firotsahan'ny kandidà Ravalomanana sy ny mpanolotsaina iray lisitra aminy nosakanan'ny mpitandro filaminana noho ny tsy fahazoana alalana... ♦ Hamory ny sendikan'ny mpiasa miankina sy tsy miankina amin'ny Fanjakàna ary ny mpiasa misotro ronono eny amin'ny kianjan'Antsahamanitra ny Kômity Iombonan'ny Mpiasa Malagasy (KIM) amin'ny sabotsy izao... ♦ Hiakatra kianja any Tonizia indray ny Barean'i Madagasikara anio hifanandrina amin'ny ekipam-pirenena Toniziana. Andro voalohany amin'ny fifanitsanana isam-bondrona handraisana anjara amin'ny CAN 2025...

[audio src="/images/sounds/jma-20240905.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...