♦ Hampitomboina ny fotodrafitr'asa hanofanana ny tanora Malagasy. Hisy lalam-piofanana vaovao, mifanaraka amin'ny filan'ny tsenan'ny asa, ihany koa hosokafana, raha ny nambaran'ny Ministry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak'asa... ♦ Hanana antontan'isa vaovao momba ny toe-piainan'ny ankizy sy ny vehivavy isika eto Madagasikara amin'ny taona ho avy. Natomboka andraony teny amin'ny Carlton Anosy ny fanadiahadiana momba izany...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...