♦ Fifidianana ben'ny tanàna sy mpanolontsaina : Naharaisana taratasy firotsahan-kofidiana avokoa ny kaominina 1.695, ny alatsinainy 30 septambra no hamoaka ny lisitra vonjimaikan'ireo kandidà ny OVEC manerana ny nosy... ♦ Olan'ny vokam-panadinana bakalôrea tany Toamasina : Nandray fepetra hiantso ireo mpiadina afaka tamin'ny alalan'ny "délibération" nefa tsy voasoratra tao anatin'ny peta-drindrin'ny "université" ny sampandraharaha misahana ny fanadinana bakalôrea any an-toerana...  ♦ Nahazo tohana tamin'ilay fandaharan'asa Business Linkage Program vatsian'ny Banky Afrikana ho an'ny fampandrosoana ny orinasa madinika sy salatsalany miisa 300 avy amin'ny Faritra 18 teto Madagasikara...

[audio src="/images/sounds/jma-20240928.mp3" background="#0099ffff"]

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...