♦ Miroso amin'ny fanamboaran-dàlana amin'ny faritra miisa 20 ao Antananarivo renivohitra ny ministeran'ny asa vaventy sy ny Kaominina, vinavinaina aharitra 2 volana ny fahavitan'ny asa... ♦ Mandray fiofanana iraisam-pirenena momba ny tsenan'ny karbôna sy ny zon'ny Fokonolona isika eto Madagasikara, fiofanana hiarahana amin'ny RRI sy ny SIF eny amin'ny Radisson Blue... ♦ Hatao any Sainte Marie, ny andiany faharoa amin'ny Festival des pirates, hetsika hanomezana sehatra ny tontolon'ny fizahantany sy hampahafantarana ny nosy Boraha... ♦ Any Rwanda : nanomboka omaly 1 oktobra tao Paris-France ny raharaham-pitsaràna an'i Dr Eugène Rwa Mucyo ; raharaha vono olona faobe tao Rwanda ny taona 1993...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...