♦ Nitombo 7% ny isan'ny kandidà mirotsaka ho fidiana ho Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsaina amin'ny 11 desambra 2024, raha mitaha amin'ny antontan'isa tamin'ny fifidianana eny anivon'ny kaominina, ny taona 2019... ♦ Tafiditra anatin'ny fampivoarana ny famokarana eny ambanivohitra ny tetikasa Ankohonana Miarina. Efa vonona ny anam-pamokarana sy ny fitaovam-pamokarana ho an'ireo misitraka ny tetikasa, hoy ny ao amin'ny Ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana... ♦ Velon-taraina ireo mpampiasa lalana ao Manakara noho ny fahatapahan'ny tetezana mpampitohy ny Fokontany Takidy sy Ampilao...

[audio src="/images/sounds/jsr-20241008.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Alatsinainy 3 aogositra 2026

• Tontosa omaly tao amin'ny Katedraly Masindahy Josefa ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny fanamasinana ho diakra ireo frera telo mirahalahy... • Ny 1 sy ny 2 aogositra no nanatanterahan'ny avy eo anivon'ny Fianakaviambe Fransiskana maneran-tany, ny diabe fransiskana isan-taona, etin'izy ireo hankalazana ny “Pardon d'Assise”... • Hanatanteraka fitsidihana apostolika any Assise ny Papa Léon XIV, amin'ny alakamisy 6 aogositra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...