♦ Samy nahavita ny antsapaka amin'ny laharan'ireo kandidà ben'ny tanàna ao amin'ny bileta tokana ireo OVEC manerana ny nosy omaly. 50 mahery ireo kandidà mirotsaka ao Toamasina-I sy Toamasina-II, raha toa Ka maherin'ny 200 kosa izany ho an'ny ato amin'ny Distrika Ambohidratrimo... ♦ Nandroso hevitra hamahàna maika ny olan'ny rano ao an-drenivohitra ny filohan'ny repoblika nandritra ny filan-kevitry ny ministra. Havondrona avokoa ireo fiarabe afaka mitatitra rano hamatsiana ny tanàna misedra olana... ♦ Anjaran'ireo tompon'andraikitra misahana ny ady amin'ny kolikoly any amin'ny ministera samihafa no nanolotra ny heviny amin'ny fanavaozana ny paik'adim-pirenena vaovao hiadiana amin'ny kolikoly...

[audio src="/images/sounds/jma-20241010.mp3" background="#0099ffff"]

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...