♦ Nanetriketrika ny fitsenana ny Eveka vaovaon'ny Diôsezin'Ambatondrazaka omaly. Tomefy olona tany Vohidiala, toerana nandraisana azy voalohany... ♦ Napetraka ny “Centre de Commandement Opérationnel”, handrindra ny asa famatsiana rano ho an'Antananarivo. Hifarimbona ao anatin'izany ny Governemanta manontolo... ♦ Najoro ny sampana miaro ny mpanao gazety eto Madagasikara. Natao izany ho fiarovana azy ireo amin'ny teritery sy ny herisetra samihafa amin'ny fanatanterahana ny asany...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...