♦ Centre Immatriculateur de Madagascar (CIM) Ambohidahy : 100 isa isan'andro eo ireo fangatahana hampiasa "cartes grises - Permis" vonjimaika voaray hatramin'ny nahasimban'ilay fitaovam-panamboarana izany... ♦ Miisa 164 mianadahy ireo tanora hisitraka ilay fampiofanana maimaimpoana omen'ny ministeran'ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak'asa, anatin'ilay fandaharan'asa "FIJERY HAFA"... ♦ Olan'ny famatsiana rano : Nitondra fanazavana momba ny fahadiovan'ny rano zaraina ho an'ny vahoakan'Antananarivo renivohitra izay miteraka resa-be ankehitriny amin'ny orinasa jirama... ♦ Nivavaka ho an'ireo rehetra lasibatry ny herisetra amin'ny endriny samihafa i Papa François tamin'ny famaranana ny Angélus, omaly...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...