♦ Iray volana mialoha ny fampielezan-kevitry ny fifidianana Ben'ny Tanàna isika izao. Kandidà roa na telo, amin'ireo fito ao an-drenivohitra, no hany manomboka miseho vahoaka tato ho ato... ♦ Mitaky ny hampitsaharana ilay tatao 5% amin'ny faktioran'ny mpanjifa tsy voaloa ara-potoana ny PMH. Filaharam-be no hita eny amin'ny biraon'ny Jirama, izay heverina ho vokatr'io tatao 5% io... ♦ Notohanan'ny Vaomieran'ny Ranomasimbe Indiana ny rafitra misahana ny fahasalamana eto amintsika. Nisy ny lanonana ôfisialy mifandraika amin'izany teny Androhibe androany...

[audio src="/images/sounds/jsr-20241018.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Alatsinainy 24 aogositra 2026

• Pretra 11 mirahalahy no nohamasinina tamin'ny sabotsy 22 aogositra 2026, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo... • Nodimandry teo amin'ny faha-81 taonany ary faha-53 taona naha mpisoron'ny Avo indrindra azy, i Mompera Rakotomahefa Pierre Marcial... • Miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny Papa Léon XIV, mba hampitombo ireo fepetra ahafahana misakana ny fihanaky tsimokaretina mitondra ny Ebola...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...