♦ Takian'ny fikambanana mpiaro ny zon'ny mpanjifa PMH ny hampitsaharana ilay tatao 5% amin'ny faktioran'ny mpanjifan'ny JIRAMA tsy voaloha ara-potoana. Milahatra ora maro ireo mpanjifa mandoa faktiora amin'ny masoivohon'ny JIRAMA ao an-drenivohitra... ♦ Mitondra ny anjara birikiny amin'ny fanohanana amin'ny ady atao amin'ny valan'aretina ny COI. Fitaovana maherin'ny 5,5 miliara Ariary no natolotra. Nanofana mpiasan'ny fahasalamana mpahay ny momba ny valan'aretina eny an-kianja... ♦ Mikokatra ho an'ny taom-pianarana 2024 - 2025 ny Oniversite Don Bosco ASSJA ao amin'ny diôsezin'i Moramanga. Lalam-piofanana 3 no misy ao...

[audio src="/images/sounds/jma-20241019.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Alatsinainy 24 aogositra 2026

• Pretra 11 mirahalahy no nohamasinina tamin'ny sabotsy 22 aogositra 2026, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo... • Nodimandry teo amin'ny faha-81 taonany ary faha-53 taona naha mpisoron'ny Avo indrindra azy, i Mompera Rakotomahefa Pierre Marcial... • Miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny Papa Léon XIV, mba hampitombo ireo fepetra ahafahana misakana ny fihanaky tsimokaretina mitondra ny Ebola...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...