♦ Mizotra araka ny tokony ho izy ny iraka nataon'ny delegasion'ny CENI tatsy Afrika Atsimo, momba ny fanontana ireo antontan-taratasy hiatrehana ny fifidianana Ben'ny Tanàna sy ny Mpanolotsaina... ♦ Natolotra ny Fitsarana teny Anosy androany ireo olona miisa 24, tra-tehaky ny zandary tamin'ny fanapohana solika tany Toamasina... ♦ Maherin'ny 90%-n'ny Malagasy no mbola mampiasa arina fandrehitra sy kitay ahandroana sakafo. Nampahafantarina amin'ny fomba ôfisialy androany ny fikambanana hamondronana ireo orinasa sy fikambanana misehatra amin'ny fampiroboroboana ny angovo madio...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...